airtel

Fampianarana

23-févr-2022

Fampianarana

Mananjary Efa tafakatra amin’ny arabe ny ranomasina omaly

Sample post image

Miaina anaty fahasahiranana tanteraka ireo mponina ao anatin’ny distrikan’i Mananjary hatramin’ny omaly folakandro.

23-févr-2022

Efa tafakatra eny amin’ny arabe mantsy ny ranomasina vokatry ny fisamboaravoarany ateraky ny fandalovan’ilay rivo-doza Emnati. Tapaka daholo ihany koa ny jiro sy ny rano raha mianjerazera eraky ny arabe ny hazo. Vokany, traboina amina toerana maro no efa nafindra eny anivon’ny fiangonana sy tranom-panjakana vitsivitsy ary ireo tranon’olon-tsotra tsara sitrapo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia tsy neken’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny hampiasana iray manontolo ireo sekolim-panjakana rehetra any an-toerana sao tsy misy hianaran’ny mpianatra rehefa tonga ny fotoana hiverenany any an-tsekoly. Miaina anaty tebiteby tanteraka araka izany ireo mponina. Ho an’ny distrikan’i Mahanoro manokana dia fantatra fa efa tafakatra 2.000 ny isan’ireo traboina hatramin’ny omaly hariva vokatry ny ora-mikija any an-toerana.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap