airtel

Fampianarana

20-avril-2023

Fampianarana

Mpanakanto Lejim 415 Nahazo «Doctorat» momba ny haimozika

Sample post image

Tontosa omaly 19 aprily 2023 tao amin'ny Ecole doctorale thématiques Lettres, Humanités, et Indépendances Culturelles (EDLHIC),

20-avril-2023

Oniversite Toliara ny fanohanana am-pahibemaso ny vokam-pikarohana na «thèse de doctorat» mitondra ny lohateny hoe "Harmonie constructive des Tsimihety à travers le bal Balimanjôfo." Izay notontosain’ilay mpanakanto antsoina hoe Lejim 415 na Rakotonavory Jimmy Hilarion. Voka-pikarohana mikasika ny haimozika na «musicologie» moa ity mikasika ny mozika tsimihety tarafina amin’ny lanonana antsoina hoe «Balimanjôfo» ity raha ny fanazavana. Ankoatran’ny fahazoany ny mari-pahaizana ambony «Doctorat en musicologie» dia nomen’ireo mpitsara ny marim-pankasitrahana «mention très honorable avec félicitations à l’unanimité du jury» koa ity mpanankato, manam-pahaizana momba ny mozika ity. Mpanakanto, mpamorona sady mpihira moa ny Dr Jimmy Hilarion Rakotonavory ary mivoy izay Balimanjôfo. Reharehan’i Madagasikara‚ fa indrindra ny faritra Sofia, izay nipoirany izao ezaka goavana vitany izao, hoy ny solontenan’ireo mpankafy izay tonga maro nanotrona azy tany an-toerana moa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap