airtel

Fampianarana

05-oct-2021

Fampianarana

Mpandraharahan’ny oniversiten’Antananarivo “Mivaly ny fitakianay rehetra vao misokatra ny oniversite”

Sample post image

Nitokona nanoloana ny fidirana na “barrière” eny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpandraharahan’ity oniversite eny Ankatso ity.

05-oct-2021

 Nisy ny fifampiresahan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo iny omaly iny, raha ny fampitam-baovao, izay nitateran’ny mpitarika ny hetsika fa nanomboka ny volana janoary ka hatramin’izao dia mbola tsy nahazo famatsiana na “subvention” mihitsy ny oniversiten’Antananarivo mikasika ny karama fa ny 8 volana niainan’izy ireo teo, izany hoe, ny janoary hatramin’ny aogositra, dia ny oniversiten’Antananarivo foana no nizaka ny karaman’izy ireo. Lany tanteraka amin’izao fotoana izao ny vola eo am-pelantanan’ny oniversiten’Antananarivo ka tsy ahafahany mandoa ny karaman’ireo mpandraharaha intsony. Ny hanomezana ny karamanay volana septambra miampy vahaolana maharitra fa tsy “tip top” toy izao foana no takianay amin’ny fitondram-panjakana, hoy izy ireo. Mivaly ny fitakianay rehetra vao miverina misokatra ny oniversiten’Antananarivo, hoy hatrany ireto mpandraharaha mivondrona anaty SPATUT izay nanamarika fa miisa 1244 ireto.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap