airtel

Fampianarana

27-juil-2022

Fampianarana

Mpianatr’Ankatso Mitaky vatsim-pianarana miakatra 100%

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy amin’ny fonenan’ireo mpianatra etsy Ankatso II omaly ireo mpianatr’Ankatso izay nosoloin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra amin’ireo faritra miisa 23

27-juil-2022

eto amin’ny firenena fa mitaky vatsim-pianarana miakatra 100% tsy misy hatak’andro izy ireo. Izao, hoy izy ireo, no fehinkevitra tapakay taorian’ny fivorian’ireo filohan’ny mpianatra amin’ny faritra miisa 23 manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Eo koa ny fandoavana an-tsakany sy an-davany izany ho an’ireo mbola tsy nahazo. Takianay ny fampiharana ny didy aman-dalana efa navoakan’ny fitsarana amin’ny fiverenan’ny fonenan’ny mpianatra eny Ambatomaro izay dongian’ny havan’ny olona sasantsasany ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Takianay ny fanamboarana ny “Bloc Amical” izay mbola tsy vita hatramin’izao. Amin’izao fahazoana talen’ny CROU-A vaovao izao dia manantena ny fangaraharaham-pitantanana sy tamberin’andraikitra izahay toy ny fanamboarana ireo zavatra simba miteraka fahasahiranana eo amin’ny samy mpianatra. Mikasika ny fanorenana tsy ara-dalana mirongatra ety amin’ny fonenan’ny mpianatra dia takianay ny fijoroan’ny tena tomponandraikitra marina satria fanilikilihana andraikitra no tena hitanay. Manameloka ny fampiadiana ny samy mpianatra amin’ny endriny rehetra izahay. Iray tsy mivaky ny mpianatra. Miantso ny mpianatra rehetra maniry hipetraka amin’ny Cité ho tonga ny talata 2 aogositra izao mahakasika ny fizarana trano eny Ambatomaro. Ny taona 2012 no nisy fiakarany farany ny vatsim-pianarana. Amin’izao na ny saran-dalana hody aza tsy takatray intsony. Rehefa tsy tafavoaka ny “digitalisation” sy ny tariny dia avereno amin’ny voalohany ny fomba fizarana! Misy mbola tsy nandray vatsim-pianarana ny sasanay amin’izao. Ny sasany nandray tamin’ny voalohany dia avy eo tsy nandray dia nandray indray avy eo. Misy isan-karazany mihitsy ao, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap