airtel

Fampianarana

14-nov-2024

Mpisehatra mivantana amin’ny fampianarana

«Vonjeo fa tena mijaly ny fampianarana!»

Sample post image

Nanao fanambaràna iraisana tetsy amin’ny Arupe Faravohitra omaly ireo olompirenena misehatra

14-nov-2024

mivantana amin’ny fampianarana izay ahitana mpampianatra, talen-tsekoly, tompona sekoly, sendikan’ny mpampianatra ao amin’ny fanjakana na tsy miankina. Misy ireo am-perinasa. Misy ireo misotro ronono. Manao antsoavo, mihikahika izahay, hoy izy ireo, satria mila vonjy ny fampianarana, izay mijaly, atao ambanin-javatra, atao sorona, atao takalon’aina. Io nefa no antoka voalohan’ny fampandrosoam-pirenena. Hitanay matihanina ao amin’io sehatra io fa mitotongana hatrany izany fampianarana izany. Mila ifandrimbonana ny manarina azy mba ho mendrika ny zaza malagasy rehetra manerana ny nosy. Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ry Ray aman-dreny, ry mpampianatra sy mpitantana sekoly, ry mpianatra andao hiaraka hanarina ny fampianarana izay antoky ny hoavy, hoy hatrany ireto mpisehatra nivondrona anaty vovonana antsoina hoe «Vonjeo ny fampianarana!» ireto. Nilaza moa izy ireo fa hitohy tsy ho ela ny hetsik’izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap