Niteraka fanehoan-kevitra maro ny sary maneho ny fanantanterahana CEPE tao amin'ny Kaominina Ampamata, Distrika Antanimora, Faritra Androy ny talata 16 jona 2026 lasa teo. Tsy misy dabilio fa dia tena natao tamin'ny tany ny fanadinam-panjakana voalohany eo amin'ny fiainany ho an'ireo zaza madinika. Mazava ho azy fa mety efa zary mahazatra sy fomba fiaina ho azy ireo, saingy mampanongo tena hoe: aty amin'ny taona 2026 mbola misy sekoly tsy misy dabilio, eny misy sekoly tsy misy rindrina biriky fa anjavidy na ravin-kazo,... Ampahany io fa betsaka ny endrika maneho izany eto Madagasikara, indrindra amin'iny tapany atsimo sy atsimo andrefan'ny Nosy iny. Ny fanabeazana no isan'ny fanalahidy voalohan'ny fampandrosoana saingy mbola hafa mihitsy ny eto raha tarafina amin'itony. Asa mba tany misy Fanjakana ve any? Misy solombavambahoaka sa dia ilay mpananga-tanana sy mpiady tombotsoa etsy Tsimbazaza fotsiny ? Eto amintsika aza moa tetikasa dabilio voalaza fa nisy vola 2 tapitrisa dolara tsy hita izay nanjavonany na ny vola na dabilio, ka heverina fa antony nampidoboka am-ponja Minisitra ny fanabeazam-pirenena iray teo aloha, raha raisina amin'ny fanazavana nentin'ny Minisitry ny Fitsarana herindro mahery teo angamba izay. Ny tetibolan'ny fanabeazana somary niteraka adihevitra ny fampihenana. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lany foana fa asa mba misy mahita hoe ny sekoly ary sy ary anie ka mila vola noho izao sy izao. Dia atao mahagaga ve raha tahaka izao ny sekoly sy ny fiatrehana fanadinam-panjakana ? Dia mbola tsy hampisokatra ny mason'ny manam-pahefana ve hoe misy eto andrim-panjakana miady mafy ho an'ny fiakaran'ny tetibolany satria mila vola ho an'ny mpanolotsaina ohatra ny depiote kanefa ary ambadika misy sekoly manao ladina an-tany? Iny niteraka resabe ny herinandro teo iny ny hoe : niakatra avy amin’ny 76,8 miliara ariary ho 89,8 miliara ariary izany hoe nisy fitomboana 13 miliara Ar eo ny tetibolan’ny Antenimierampirenena na teo aza ny endrim-panazavana hafa nentin’io andrim-panjakana io. Tany amin’ny novambra 2025 dia nisy fivoriana nikaton-trano rehefa voalaza fa nahena 9 miliara Ar ny tetibolan’ny antenimierampirenena. Tsy tokony hampanongo tena ve ny mbola fisiana hetsiky ny manampahefana sasany nanetsika artista handaniana an-tapitrisany maro kanefa ny sekoly ianaran'ny zanaka Malagasy ary ambadiky ny lalapihazo tsizarizary sy tsy fanao ianao? Tokony hampisaintsaina!
Toky R