ny harena an-kibon'ny tany
Nanao dingana vaovao eo amin'ny fiaraha-miasa momba ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara ny Oniversiten'Antananarivo sy ny Kazak Mining Hub. Nisy omaly ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta. Tanjona ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny lafiny fanofanana, fikarohana ary fampitomboana ny fahaiza-manao mifandraika amin'ny asa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Nisolo tena ny Oniversiten'Antananarivo ny Filohany, Profesora Rivoarison Randrianasolo, raha toa kosa ka nisolo tena ny Kazak Mining Hub ny Tale Jeneraliny, Hery Zo Andriamiarana. Mametraka ny fiaraha-miasa ho ivon'ny paikadiny ny Oniversiten'Antananarivo, ka mampiasa ny fiaraha-miasa rehetra ho fitaovana hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony.
Jean D.
Pr Rivoarison Randrianasolo, filohan'ny Oniversiten'Antananarivo sy Andriamiarana Hery Zo, Tale Jeneralin'ny Kazak Mining Hub