airtel

Fampianarana

26-févr-2021

Fampianarana

Oniversiten’i Barikadimy Toamasina Naverina ny fanisana ireo tokony hahazo vatsim-pianarana

Sample post image

Naverina nanomboka omaly 25 febroary 2021 ary tsy hifarana raha tsy ny 10 martsa izao ny

26-févr-2021

 

 

 fanisana ireo mpianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’I Toamasina tokony hahazo vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Efa nisy moa ny tetiandro natao hizarana izany izay nivoaka ny herinandro teo fa amin’ity herinandro ity no handeha ny fizarana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra izay efa nahitana fahatarana 4 volana ka nahatonga azy ireo nitokona sy namoy namana tamin’ny herinandro. Ity vatsim-pianarana ity izay voalaza fa efa tonga teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina hatramin’ny volana jolay lasa teo saingy nogiazan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina. Tsy nanaiky io fiampangana io moa ny firaisankinan’ireo mpampianatra ao an-toerana sasany. Manjavozavo tanteraka ny raharaha satria dia voalaza fa isan’ny antony tsy maintsy hamerenana ny fanisana na “rescencement” ny fibontsinan’ny isan’ireo mpianatra voasoratra hahazo vatsy kanefa misy tsy mpianatry ny anjerimanontolo akory. Hita ho miha mikorontana isan-taona hatrany ny toe-draharaha saingy tsy mbola mety manangasanga hatreto ny vahaolana maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap