airtel

Fampianarana

16-nov-2021

Fampianarana

Oniversiten’i Fianarantsoa Tapitra ny grevy, miverina amin’ny asany ny PAT

Sample post image

Namoaka fanambarana ny sendikan’ny PAT (Personnel Administratif et Technique) ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, fa nivaha tamin’ny ampahany ny fitakian’izy ka miverina amin’ny laoniny ny asa aman-draharaha

16-nov-2021

 rehetra manomboka izao. Volana maro no nitokonana sy nitakiana ny tombotsoa izay efa nositrahana taona maro, kanefa notsoahina sy notapahana tsy nisy fifampiresahana. Noho io antony io, nikatso tanteraka ny fampiodinan-daharaha tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Tsy nitsahatra kosa anefa na izany aza ny nitady vahaolana tamin’ireo tompon’andraikitra voalohany tao an-toerana, ireo raiamandreny ara-panjakana,… ary isan’ny tena zava-dehibe ny fihaonana mivantana tamin’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo PAT ny 09 novambra teo. “Vokatr’izany, voavaha amin’ny ampahany ny fitakianay, ka miangavy izahay mba hisitraka faran’izay haingana io didim-panjakana ary miandry am-pitoniana izany”, hoy ireo mpandraharahan’ny Oniversite. Nanambara noho izany ireto mpiasan’ny Oniversiten’I Fianarantsoa ireto fa miverina miasa, ary miantsoroka ny andraikitra izay ataony ny mpandraharaha tsirairay. Naneho fisaorana ho an’ny Filoha, Praiminisitra, minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Filohan’ny oniversiten’I Fianarantsoa, ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra (SECES), ny sampan-draharaha rehetra ao amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa, ny mpandraharaha rehetra,…izy ireo, ary manantena fa handeha an-tsakany sy andavany ny fanatanterahana ny tokony nomena azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap