airtel

Fampianarana

20-janv-2023

Fampianarana

Oniversity Ravelojaona “Fanamby ny hiverina ho lohany fa tsy ho rambony”

Sample post image

Tontosa omaly tetsy amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny fanamarihana ny faha 5 taonan’ny Oniversity Ravelojaona.

20-janv-2023

5 taona ny ao Ampandrana, hoy ny rektora, ny mpitandrina Dr Zo Ratsimandisa. 5 taona koa ny ao Arivonimamo, Ambatolampy, hoy izy. Aoriana kelin’izay ny ao Moramanga. Maromaro moa ny fiofanana ivelan’ny fampianarana ihany koa na “para-universitaire” ato aminay ka dia nanafana ny fotoana anio ny mpianatra, hoy hatrany izy.
HETSIKA FOKO 18
Hetsika foko 18 no nampiavaka ny anio, hoy hatrany ny rektora. Ao anatin’izay ny hoe na 18 aza dia natambatr’I Jesoa Kristy ho iray isika, hoy izy. Amin’ny maha oniversite azy moa dia misy koa ny lahateny akademika nentin’ny Profesora Ramambason William, mpitandrina sady sojaben’ny fakiolten’ny teolojia Ambatonakanga.
MANANGANA NY MATY
“Manangana ny maty”! Io moa no lohatenin’ny lahateny nentin’ny sojabe tamin’ity omaly ity. Entina hilazana izany, hoy ny fanazavana, fa velona indray ny university Ravelojaona. Ny fotoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny fahatrarana ny 5 taona no sady fanokafana amin’ny fomba ofisialy moa no namaranana ny fotoana. Nisy koa ny fanolorana sertifika ho an’ireo nahavita be teo anivon’ity oniversite ity.
TSY MORA NY TOLONA
Tsy mora ny tolona nosedraina, hoy indray ny rektora. Tsy dia manana tetibola goavana be ny oniversite, hoy izy. Ny Kristianina ao aminy no miara-manainga azy. Tsy maintsy manara-dalana ara-panjakana koa anefa ary manana ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany. Ny fotodrafitrasa tsy maintsy natao ary isaorana an’Andriamanitra fa niasa izy. Ankoatran’ny anio moa dia hisy hetsika hafa maro hanamarihana izay faha 5 taona izay. Fambolen-kazo ao anatin’ny faha 5 taona izao no hataonay amin’ny heriny. Hisy kaonferansa ho atao koa. Hisy trano mbola ho atsangana ho tsangambato. Ny politika amin’izao moa dia ny kalitao mba hanatsara ny fampianarana. Mieritreritra ny olona hoe izany fampianaran’ny fiangonana izany tsotsotra, natao ho an’ny mahantra. Tsia! Mpampianatra manana ny toerany avokoa ny ato dia mba hatao mifanaraka amin’izay koa izany ilay kalitaon’ny fampianarana. Aza adinoina fa ny LMS no nitondra ny sekoly voalohany teto Madagasikara. Ny protestanta no nanana sekoly voalohany sy oniversite teto. Nony lasa ny misionera sy ny anglisy dia tsy maintsy hoe nilatsaka kely izy rehefa tonga ny mpanjanaka sy ny frantsay ka fanamby noho izany ny hiverina haka ny toerana nisy teo aloha dia ny hoe ho lohany fa tsy ho rambony. Ny eny Ambatobevanja izao misy ny sampana Fahasalamana. Mamoaka mpampivelona, infirmiera, teknisianina mpanala fanaintainana, teknisianina amin’ny fitarafana eny. Nisy fotoana io nomen’ny ambasady frantsay ny laharana voalohany. Miisa 9 kosa ireo sampana ao Ampandrana toy ny siantsa momba ny fiarahamonina izay ahitana ny fitantanana sy lalana, ny siantsan’ny tekinolojia izay ahitana ny informatika, “communication et multimédia” na serasera sy fifandraisan-davitra, ny biolojia hampiharina amin’ny tontolo iainana, siansa momba ny fanabeazana sy ny maro hafa. Miisa 2300 eo moa hatreto ny isan’ny mpianatra manerana ny faritra, hoy hatrany ny fanazavan’ny rektora.
Nanangona sy nandrindra: Jaonary Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap