airtel

Fampianarana

08-mai-2023

Fampianarana

Politeknika Vontovorona Milaza hampiato ny fampianarana ireo « vacataires »

Sample post image

Nandefa taratasy miantefa amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tSiansa (MESUPRES) ny Komitin’ny « Vacataires »

08-mai-2023

na ireo mpampianatra tsy raikitra eo anivon’ny Sekoly ambony Politeknika anatin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nampahafantatra ny hirosoany amin’ny fampiatoana ny fampianarana manomboka rahampitso 09 may 2023, raha raha tsy misy ny fandoavana ny tambin’ny asan’izy rehetra nanomboka ny 2018 hatramin'io andro io. Antony ny fitakiana ny fandoavana ara-drariny ny valin-kasasarana na ny “”vacations””. Takian’izy ireo fandoavana mantsy ny “vacations” rehetra nanomboka ny taom-mpianarana 2018-2019 (75%) ka hatramin'izao taom-pianarana izao. Nanamarika fa miasa maina ary miala vola am- paosy ireo “vacataires” manao ny asa fampianarana ary miezaka hampandeha izany. Mangataka ny handoavana isan'enimbolana ny « vacations » rehefa vita ny anjara fampianarana tokony natao. Faharoa ny fangatahana fangaraharan'ny fahazoan-dalana ho mpiasa raikitra na ny “recrutement”, tokony hatao mazava ny rafitra na « critères de recrutement »mba tsy hahatonga resa-be sy fanontaniana amin'ny maha tafiditra ny olona iray. Misy ireo izay hita fa tsy ara-drariny ny mbola maha-«< vacataires » azy manoloana ireo hafa efa voaray ho mpiasa raikitra, raha ny fanazavana… Tokony mba hisy solontena avy eny amin'ny Sekoly ao anatin'ny Kaomisionina mba hahamora ny fampandrenesana ny mombamomba ny “recrutement” ho avy; atao mazava tsara ny lalan'ny antontan-taratasy amin'ny fifantenana ny mpampianatrampikaroka ho raisina,… Mangataka ny hisian’ny sata mazava mifehy ny “vacataires” ihany koa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap