tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fampianarana

Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Misy sahala amin’ny miteny zavatra tsy azo tanterahana eto”

Lasa ankilabao sy noheverina ho tsinontsinona ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara tsiansa satria raha misy minisitera mahazo 1000 isa no mihoatra tamin’ny “poste Budgétaire” ,ny an’ny mpampianatra

21-nov-2022

Sample post image

mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra kosa miaraka amin’ireo mpandraharaha izao ao anatin’ny MESUPRES dia tsy misy afa-tsy 200 monja, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. 3000 be izao ny filana ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra matihanina manam-pahaizana amin’izany, hoy izy. Mahafehy ny diploma ilaina fa tsy hoe akory “ingénieur agronome” hafarana avy any andafy satria tsy tafiditra ao anatin’ny “critère” akory izany raha mijery ny lalàna mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Tonga amin’ny tenin-jatovo hoe mampihomehy ilay izy satria izao ny zava-misy raha hanafatra mpampianatra iray ianao “coopérant” hampianatra aty Madagasikara dia karamana “fonctionnaire” vahiny no anakaramana an’ireny olona ireny. Raha ampitahaina anefa dia efa mahavita karaman’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra firy izany raha toa ka misy ny fahavononana . Misy ny olona sahala amin’ny hoe miteny zavatra tsy azo tanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena. Raha manam-bola ariary 100 ve ianao tokony handoa 20 dia tsy alohanao ilay 20 fa aleonao mandany ariary 100. Dia mitombina ve Izany ? Tsy mitombina izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpianatry ny ESPIC sy ny ISDE Hanampy ny tanora hiala amin’ny rongony sy ny fivarotan-tena
01-juin-2023

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.

Voir plus