airtel

Fampianarana

28-févr-2023

Fampianarana

Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Mitohy ny tolona fitakiana… ”

Sample post image

Nandray anjara mavitrika tamin’ny filankevim-pirenena ara-potoanan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES ny SECES Sampana Antananarivo ny 17 janoary teo,

28-févr-2023

hoy ny filohany, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Mametraka izahay, noho izany, hoy izy, fa tsy tokony ho takiana akory izany zo sy hasina amin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izany raha mpitondra fanjakana mahatsiaro teny ho tompon’andraikitra no misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Miresaka, mifanakalo hevitra, milaza ny zava-misy any amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny amin’ny mbola tsy fisitrahana ireo zo sy hasina voafaritry ny lalàna ireo. Isany ny mikasika ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra raikitra, ny karama na “vacation” ho an’ny mpampianatra an-tselika izay efa hatrany amin’ny taona 2018 no tsy azo. Ny ora fanampiny sy “vacation” hatramin’izay nisian’ity fitondrana ity izany, efa nisy 3 taona izay, tsy azo. Isany koa ny vary mangatsiakan’ny fampiharana ny didim-panjakana miisa 3 izay andrasana ny fanatanterahan’ny fanjakana izany satria mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra miisa 2030 eo no tokony hisitraka izany. Eo koa ny “indemnité de recherche et d’investigation” na saran’ny fikarohana sy fandalinana ho an’ireo mpikaroka retirety mbola manatanteraka ny asany ho an’ny taona 2018, 2019, 2020, 2022. Misy ny rijan-teny ho fampiharana ireo lalana manan-kery mifehy ny mpikaroka mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka. Misy ny didim-panjakana volavolaina, andrasana ny fivoahany mikasika ny “maintien en activité”, ny “Professeur émérite”, ny momba ilay antsoina hoe “reclassement”, eo koa ny mikasika ny fandraisana mpiara-miasa vaovao sy ny maro hafa. Takian’ny SECES ny fanatanterahana ireo satria tsy adino akory ny fomba fanao sy fitolona tany aloha izay hita fa nahomby dia ny grevy. Iaraha-mahalala ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny anefa ka heverina fa tsy tokony hatao ny fidinana an-dalambe na koa hoe hampiato fampianarana, raha mbola azo atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap