airtel

Fampianarana

27-nov-2026

Profesora

Raoelina Andriambololona

Sample post image

Nankasitrahana ny ezaka sy ny

27-nov-2026

zava-bitany an-taonany maro

Manampahaizana Malagasy momba ny fizika nokleary ary anisan’ireo mpikaroka nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampandrosoana ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara i Profesora Raoelina Andriambololona ary fantatr'izao tontolo izao ny zava-bitany. Mpampianatra mpikaroka teo anivon’ny Anjerimanontolo izy ary isan’ireo nanorina ny “Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires” (INSTN), notokanana ny 26 Novambra 1992 teny amin’ny Fakioloten’ny siansa, Oniversiten’Antananarivo. Nandray anjara tamin’ny fanofanana sy fampivelarana mpikaroka sy manampahaizana maro ihany koa izy ary mpikambana ao amin’ny “The World Academy of Sciences (TWAS), Akademia maneran-tany mampivondrona ireo manam-pahaizana miavaka eo amin’ny sehatry ny siansa. Feno 90 taona i Profesora Raoelina Andriambololona ankehitriny. Nisy ny lanonana fankalazana izany tsingerintaona nahaterahany izany natao teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo eny Ankatso, ny 26 novambra 2026. Nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Nohamafisin’ny Minisitra tamin’izany fa manome lanja ny fikarohana ara-tsiansa ny Minisitera tarihiny, ary manohana ny mpikaroka Malagasy amin’ny fampivelarana ny fikarohana hahafahana mamadika ny voka-pikarohana ho vahaolana azo ampiharina sy mitondra fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy. Nankasitrahana ny ezaka sy ny zava-bitan'i Profesora Raoelina Andriambololona nandritra ny taona maro, izay azo raisina ho lesona ho an’ny taranaka mpikaroka, indrindra ny fikirizana, ny fahendrena, ny fanetren-tena ary ny fitiavan-tanindrazana.
Nangonin'i Jean D.

Profesora Raoelina Andriambololona 

Dans la même rubrique

26-nov-2026

no fanalahidin’ny fampandrosoana»

Card image cap
26-nov-2026

Hahazo birao vaovao,

Card image cap