haharitra 3 andro ilay Salon de l'étudiant karakarain'ny Ministeran'ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny CIDST na ny Centre d' information et de documentation scientifique et technique. Mampiavaka ity Salon ity ny fampahafantarana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea sy ny Ray aman-dReniny ireo sekoly ambony nahazo fankatoavana ara-dalana avy amin'ny Ministera tompon'andraikitra. Mampiranty sy mampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy avokoa ireto farany noho izany hanampiana ireo mpianatra mitady sekoly ambony azo antoka nanohizany ny fianarany. Mbola hitohy any Fianarantsoa sy Toamasina ny hetsika ato ho ato. Fantatra moa fa hisy ny fijoroana vavolombelona ho ataon'ny masoivoho Amerikana mikasika ny tombontsoa azon'ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana tao aminy. Hisy ihany koa ny fampahafantaran'ny Polisim-pirenena ireo mpitsidika momba ny asany manokana.
Pati
Légende : Tahaka izao ny ao amin'ny Salon !
Vita sonia omaly Alakamisy 06 Novambra