LOGOS HOPE. Manomboka amin’ny datin’ ny 16 Novambra ka hatramin'ny 13 desambra ho avy izao no hijanonan’izy io any an-toerana izay hisokatra ho an'ny mpianatra sy ny olom-pirenena rehetra. Afaka mamaky boky sy mandray anjara amin’ny fividianana boky ao anatin’io sambo io avokoa ny rehetra noho izany, indrindra fa ny mpianatra saingy mila fahazoan-dalana avy amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly kosa. Ity no fivarotam-boky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany izay ahitana boky maherin'ny 5. 000 isa, raha araka ny fantatra. Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 350 avy amin'ny firenena maherin'ny 60 no ho hita ao anatin’ity sambo ity izay hanampy ireo olona marobe ho avy handray anjara amin’izany. Mety ho hita ao anatin’ity sambo lehibe ity araka izany ireo karazam-boky tsy hita efa notadiavin’ny mpianatra hatramin’izay amin’ireo karazana tenim-pirenena maro samihafa.
Pati
Legende : Ity ilay sambo ahitana karazam-boky marobe ho avy eto amintsika !
Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana