airtel

Fampianarana

14-sept-2022

Fampianarana

SECES nasionaly “Tsy laharam-pahamehan’ny fitondrana ny oniversitem-panjakana”

Sample post image

Nanao fanambarana omaly ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana an’I Madagasikara na SECES nasionaly fa tsy voatsinjo sy tsy voahaja ny zo sy hasin’izy ireo ary ny mpandraharahan’ny

14-sept-2022

fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ireo mpianatra. Toa tsy laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny, hoy izy ireo, ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly. Noho izany dia mitaky ny fanatanterahan’ny mpitondra fanjakana tsy misy hatak’andro ireo zo sy hasina izay tokony harovany sy hajainy toy ny hanak’andriamaso ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary mpianatra sy mpandraharahan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana raha tena tany tan-dalana marina ny firenentsika. Eo ny fandoavana ny vary mangatsiakan’ny “3 decrets”, ny fandoavana feno sady tsy misy banga ny ora fanampiny sy fampianarana an-tselika 2018-2019. Ny fampandehanana sy fanafainganana ny “reclassement” na fanavaozan-tsata ho an’ny sampana na “corps” rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Ny fandoavana ara-potoana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra rehetra manerana ny oniversite miankina amin’ny fanjakana. Ny famahana ny olan’ny mpandraharaha rehetra ary isan’izany ny fandoavana ny “Indemnité d’installation” sy ny fisotroan-dronono ho an’ireo efa lasa nisotro ronono. Ny fandoavana haingana ny “vacation” manodidina ny fanadinana bakalorea 2022. Raisin’ny SECES ho tsy manan-kery no sady tsy azo ekena velively ny volavolana “aménagement des postes budgétaires” raha tsy niaraha-nidinika sy nankatoavin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ary manaraka tanteraka ny didy aman-dalana manan-kery eto amin’ny tany sy firenena. Ny fanajana ny mangarahara tanteraka ny fomba fanaovana “recrutement” na fandraisana mpiasa mba ho ara-dalana. Lavinay marindrano ny endrika kolikoly mivantana na an-kolaka momba izany, hoy hatrany ny fanambaran’ny SECES omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap