airtel

Fampianarana

30-oct-2025

SEKOLY AMBONY IMGAM

Namoaka mpianatra 1641 isa indray

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo tanora

30-oct-2025

manam-pahaizana eto amintsika. Miisa 1.641 omaly Alarobia 29 Oktobra no navoakan'ny sekoly ambony IMGAM tetsy.amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Nampiavaka ity andiany ity ny fanotronan'ny Filoham-panjakana Randrianirina Mickaël ny lanonana izay tena nahafaly ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReniny tokoa. Tonga ity Filoham-panjakana ity na dia be asa be ao anatin'ny fanarenana ny fiainam-pirenena aza. Nambaran'ny Filoha tale jeneralin'ny Imgam Rakotoson Martin fa zava-dehibe ho an'ny Firenena ny fananana ireto tanora manam-pahaizana Ireto. Avy hatrany dia nofanina hamorona asa ho an'ny tenany mantsy izy ireo fa tsy hiandry ny hafa. Izany no tena fahamarinana hoy izy ary ny fahamarinana no manandratra ny Firenena. Ny mari-pahaizana Diplômes de technicien supérieur no miakatra moa no natolotra ireto mpianatra ireto mba hahafahany miditra eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany.
Pati
Légende : Ny andiany indray mihira Ravinala !
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

fikarohana mitondra fampandrosoana

Card image cap
26-août-2026

Mpitsidika mihoatra ny 20.000 isa no andrasana

Card image cap