Ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ny mpianatra mantsy no tena antom-pisiany ka tsy ireto farany fotsiny no hahazo asa fa afaka hamorona asa ho an’ireo tanora namany marobe ihany koa izy ireo amin’ny alalan’ny fananganany orinasa. Tsy manomana mpianatra handeha hianatra na hiasa any ivelany izy ireo noho izany fa ny hanavotra ireo tsy an’asa marobe eto Madagasikara aloha, antony mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Vao ao amin’ny taona voalohany araka izany ireo mpianatra ao amin’izy ireo dia efa manao fikarohana araka ny lalam-piofanana hianarany ary mampihatra izany. Manana tetikasa goavana ho azy manokana ny mpianatra iray noho izany raha vantany vao vitany ny fianarany ary azony hananganana orinasa tsara izany. Tsy reraka ny manazava ny tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea io tanjony io ity sekoly ambony ity noho izany hahafahana mandresy ny fahantrana.
Pati
Legende : Manampy ny tanora hatrany ny sekoly ambony ISPM rehefa misy Salon tahaka izao !
Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana