airtel

Fampianarana

02-août-2021

Fampianarana

Sekoly ambony tsy miankina Maro ireo mpianatra no misedra olana

Sample post image

Maro ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony tsy miankina no misedra olana vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.

02-août-2021

 Anisan’ny tena betsaka tao anatin’izany ireo tsy mahaloa saram-pianarana ankoatra ireo tsy mahavita mividy fitaovana, raha araka ny fanadihadiana natao hany ka voatery mijanona antenantenany. Ho an’ny sekoly ambony tsy miankina ISPM manokana ohatra dia fantatra fa maromaro ihany ireo mpianatra tao aminy no niharan’izany raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly. Na izany aza anefa dia miezaka hatrany ny sekoly manampy sy manohana ireo mpianatra mba hahavitany hatramin’ny farany ny fianarany raha mbola azo hatao. Tsiahivina moa fa na dia teo aza ny fihibohana dia niezaka hatrany ny ISPM nanome fampianarana ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny internet mba tsy hahabanga ny fianaran’izy ireo. Handray ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea vaovao indray izy ireo amin’ity taona ity ka fantatra fa amin’ny volana Oktobra ho avy izao no hanatanterahana ny fifaninana hidirana ao amin’izy ireo na koa amin’ny alalan’ny fisivanana ireo dosie rehetra voaray. Eken’ny fanjakana moa diplaoma havoakan’ny ISPM ka hahafahan’ireo mpianatra mivoaka ao aminy miasa avy hatrany.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap