airtel

Fampianarana

24-nov-2021

Fampianarana

Sekoly nomerika Miisa 30 no tratrarina ho an’ny taona 2021-2022

Sample post image

Hiditra amin’ny faha 8 taonany ankehitriny ny tetikasa sekoly nomerika eto Madagasikara. Tontosa omaly indray ny fanohizana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Orange Solidarité Madagascar sy ny minisiteran’ny

24-nov-2021

 fanabeazam-pirenena izay nosoniavina ny 11 jona 2014 mikasika izany fandaharana hoe “fanabeazana nomerika” izany. Sekoly miisa 30 indray ho an’ny taom-pianarana 2021-2022, raha ny fanazavana hatrany, no ezahana hanatanterahana ny tetikasa. Nanomboka ny taona 2014 dia maherin’ny 6000 isa ireo tablety natolotra ho ana sekoly miisa 157 manerana ireo faritra miisa 22. Ho an’ity andiany manaraka ity kosa dia ahitana laptop 1, tablety miisa 25, kaska miisa 25, “serveurs Raspberry” miisa 2, “vidéoprojecteur” 1 miaraka amina fimaso na “écran”, sy hairaha vaovao maro izay vatsim-pianarana hanatontosana ny sekoly nomerika izay, raha ny voambara omaly hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap