Maro amin’izy ireny mantsy amin’izao no mbola mandamina ny fotoana hianaran’ireo mpianatra ao aminy toy ireo mianatra maraina fotsiny na hariva fotsiny raha misy koa ny mianatra Alatsinainy sy Alarobia ary Zoma dia ny andron’ny Talata sy Alakamisy indray amin’ny herinandro manaraka dia toy izany hatrany. Ho an’ny kolejy La Prime etsy Anosibe manokana dia fantatra fa mianatra fotsiny izy ireo. Manana efitrano fianarana malalaka mantsy izy ireo ka voahaja tsara ilay elanelana 1 metatra isaky ny mpianatra….Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Rtoa Solonandriana Lanto dia tsy mbola ampy ny ora hianarana sy hamitana ny fandaharam-pianarana. Tokony hitarina hatramin’ny volana Jolay araka izany ny fampianarana hoy hatrany izy hahafahana manao famerenana indrindra fa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nisy hoy izy ny filazan’ny tale jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa ny ora fianarana eto Madagasikara no betsaka indrindra nefa fomba fijery eny ambony latabatra ihany izany.Rehefa tena iainana mantsy ilay izy hoy hatrany izy dia tena tsy ampy tokoa ny ora hianaran’ny mpianatra. Mangataka ny hanemorana ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana araka izany izy ireo entina hanampiana ireo mpianatra.
Pati
Ny sabotsy teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fankalazana