airtel

Fampianarana

01-févr-2021

Fampianarana

Solontenany nosamborina teny 67 Ha Manambana hitokona ny ENSET Diego anio

Sample post image

Nisy ny loharanom-baovao nilaza omaly, fa nosamborina teto Antananarivo teny

01-févr-2021

 

 

 

67Ha efa ho 4 andro teo izay ny Solontenan’ny mpianatra mpitarika ny ENSET Diego nanao fifanarahana tamin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena momba ny fitakiana iraisan’ny ENS (Ecole National Superieur), izay efa nambaran’ny Minisitera mpiahy, fa hampidirina ho mpiasam-panjakana. Nisy solotenan'ny ENSET koa anankiray niala tany Antsiranana tokony hanatrika fivoriana dia nosakannaa teny amin'ny Toby Fiantsonan’ny Fiara, hoy ny vaovao niely. Tamin’ny ora nanoratanay, dia tsy mbola fantatra mazava na navotsotra na tsia io mpitarika io. Tsy fantatra mazava izay tena antony nisamborana azy, ary tsy hay na nohadihadiana dia navotsotra na mbola eo am-pelantanan’ny manam-pahefana. Andrasana ihany koa ny fahadisoana, raha toa ka tsy nisy fisamborana izany. Tsy misy ifandraisany ihany koa amin’ny hetsiky ny mpianatra tany Antsiranana ny alin’ny 21 janoary teo nisiana fifandonana tao amin’ny Faritry ny Oniversite, izay efa nisy ny mpianatra 5 naiditra am-ponja vonjimaika. Voalaza fa manambana hihetsika ny mpianatra any Mahajanga anio mitaky ny hamoahana ilay namany nosamborina taty Antananarivo. Miha mafana hatrany ny raharaha fifanolanana any amin’ny Oniversiten’Antsiranana, izay niseho tamin’ny endriny samihafa ny fitakiana, ka teo ny an’ny ENS, ny an’ny mpianatra leo delestazy sy rano tapaka.

 Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap