airtel

Fampianarana

26-mai-2023

Fampianarana

Taninketsan’ny foloalindahy Niavaka ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny SEMIPI

Sample post image

Nomarihina omaly 25 may 2023 tao Fianarantsoa ny faha-100 taonan’ny Sekolin’ny Miaramilam-pirenena na SEMIPI, izay taninketsan’ny Foloalindahy malagasy sy namolavola mpitarika maro eto amin’ny Firenena.

26-mai-2023

Tonga nanatrika ny lanonana ara-miaramila ho fanamarihana izany ny Filoham-pirenena sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy Andry Rajoelina sy ny vadiny. Nandritra izany no nanaovana batemy ireo andiany 2022-2023 izay ahitana mpianatra miisa 84 mitondra ny anarana "Faha zato taonan'ny Sekoly Miaramilam-Pirenena", izay niavaka tokoa. Fomba fanao fialàna amin'ny fiainana sivily mba ho tonga tena miaramila kely ny batemy, ary ireo tanora ireo dia volavolaina anaty soatoavina fototra toy ny herim-po (courage) fanarahana ny fitsipi-pifehezana (discipline) sy ny tsy fivadihana amin'ny teny nomena (loyauté)." Ny fampianarana izay azonareo teto dia miavaka amin'ny lafiny akademika, teknika sy etika hahafahanareo manompo ny firenena. Tsarovy hatrany fa ianareo no mpiaro ny lova sy ny lazan'ity sekoly ity ary ireo soatoavina notezaina anareo teto no entinareo amin'ny lalam-piainanareo" hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha niarahaba sy nitso-drano ireo mpianatra eto anivon'ny SEMIPI. Nanamarika ny fankalazana ny faha 100 taonan'ny SEMIPI notanterahina androany ihany koa ny seho "synchronisation japonaise" sy taekwondo nataon'ireo mpianatra ary ny fitokanana ny chapelle militaire Beravina. Nosoniavina omaly tao Fianarantsoa ihany koa moa ny fametrahana ho mpirahavavy ny SEMIPI sy ny Prytanée National Militaire de La Flèche any Frantsa. Voalaza fa ahafahana mandalina bebe kokoa ny fiifamatorana eo amin’ny tafika roa tonta io, ankoatra ny fiaraha-miasa samihafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap