airtel

Fampianarana

28-nov-2022

Fampianarana

Tanora any amin’ny faritra Anosy Nomen’ny FMFP sy ny QMM fiofanana momba ny asa

Sample post image

Hanampy ireo tanora eto amintsika manoloana ny ady amin’ny tsy fananan’asa ny Le Fonds Malgache de Formation Professionnelle sy ny Rio Tinto QMM.

28-nov-2022

Ity farany no tompon’antoka amin’ny tetikasa raha ny FMFP kosa no mpamatsy vola. Efa nisy ny sonia fifanakem-piaraha-miasa notanterahin’ny roa tonta tamin’ny volana Jona lasa teo. Tafiditra ao anatin’io fifanekena nifanaovan’ny roa tonta io ny fanomezana fiofanana ny tanora mba hahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Ho an’ny faritra Anosy manokana dia mahatratra 300 isa ireo tanora mahazo tombontsoa amin’izany. Kaominina miisa 9 ao anatin’ny Faritra Anosy hatreto no fantatra fa hisitraka io fiofanana io, tarihin’ny tale jeneraly QMM Pierre Raoelina Andriambololona izay efa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Nisy araka izany ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny FMFP tamin’ireo Ben’ny tanana any an-toerana mikasika ny fanentanana tokoa hatao. Tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona no horaisina amin’izany ka eny anivon’ny kaominina no aterina ny antontan-taratasy fangatahan’asa. Antontan-taratasy hatrany amin’ny 1500 isa no horaisina amin’izany ho an’ireo karazan’asa miisa 12 eo anivon’ireo orinasa ireo. Tsiahivina moa fa nanomboka tamin’ny taona 2019 dia namatsy tamina tetikasa miisa 2.000 mitentina 20 miliara Ar ny FMFP. Tanjona ny hahafahana mampihena hatrany ny tahan’ireo tanora tsy an’asa eto amintsika hahafahana miady sy mandresy ny fahantrana.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo tanora nahazo fiofanana
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap