airtel

Fampianarana

06-oct-2021

Fampianarana

Toe-draharahan’ny oniversitem-panjakana « Efa misy naharay karama ary misy ny an-dàlana»

Sample post image

« Araka ny tapaka tamin’ny fivorian’ny COPRIES nahitana ny Filohan’ny Oniversite miisa 6 sy ny Sojaben’ny Fakiolte, ireo Tale Jeneralin’ny IST

06-oct-2021

 dia efa tapaka fa nanomboka ny 4 oktobra hatramin’ny 11 novambra ny fidirana eny amin’ny Oniversitem-panjakana. Tsy hoe ny 4 oktobra fotsiny izany fa ao anatina « interval», hoy ny Tale Kabinetran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony Pr Diny Razanakolona omaly nitondra fanazavana. Manoloana ny fampidirana ireo mpianatra afaka bakalorea ny 2020 sy 2021 kosa, dia misy ny filankevitra siantifika izay mandinika ny fahafaha-mandray azy ireo. Eo ihany koa ny endri-panofanana “hybride” sy ny “à distance” na ampitain-davitra raha ohatra ka tsy atonona ny efitrano. Tokony hofaranana ny 20 novambra ny fisoratana anarana rehetra ahafahana mandamina ihany koa ny resaka vatsim-pianarana. Miara-misalahy ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny Minisiteran’ny vola mpiahy ara-bola. Momba ny fahataran’ny karaman’ny mpandraharaha, dia efa mikarakara azy ny eo anivon’ny “Contrôle Financier” miaraka amin’ny Minisitera satria resaka ara-bola na “Etat financier” tsy mitovy teo amin’ny “Contrôle Financier” sy ny “Service pension et solde” no voalaza fa antony. Tsy mitovy ihany koa ny zava-misy satria ho an’ny oniversite sasany, toa an’I Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana, dia efa nahazo ny karama septambra na nivoaka ny “BTR” ho an’ny septambra-oktobra, fa misy kosa ireo miandry ny filankevi-pitantanana izay hivory hanapaka momba ny “Etat financier” sy ny “compte administratif” ho an’ny taona 2020, ka miandry kely an’izay ny fahafahana mandoa ny karama, ho an’ny oniversiten’Antananarivo dia “Etat financier” no olana, fa efa miravona amin’izao, ary hivaha tsy ho ela io”, hoy ny Pr Diny Razanakolona. Mikasika ny “bourse” dia efa voalamina tsy misy olana intsony manomboka L2 hatramin’ny M2 satria efa fantatra hoe iza no afaka na iza no tsy afaka, fa ny L1 na ny taona voalohany no mbola anatin’ny “digitalisation”, raha ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap