airtel

Fampianarana

30-août-2021

Fampianarana

Tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra Misy olon-dehibe hatrany amin’ny 70 taona mbola vonon-kianatra

Sample post image

Mbola betsaka ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto amintsika. Tsy hanavahana sokajin-taona izany fa misy hatrany amin’ny olon-dehibe 70 taona.

30-août-2021

 Nisy tamin’izy ireny no nandia fianarana kely dia niala noho ny fahasahiranana raha misy ihany koa ireo tsy nandia izany mihitsy. Nisy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy nokarakarain’ny fikambanana Lions Club sy ny CDA Andohatapenaka nanomboka tamin’ny sabotsy teo. Olona miisa 99 no tonga nisoratra anarana tamin’izany ka zokiolona mihoatra ny 70 taona no lehibe indrindra. Mianatra indray mandeha isan-kerinandro izy ireo mandritra ny efa-bolana. Anisan’ny hampianarina azy ireo mandritra izany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Toraka izany koa ny mikajy izay tena olana goavana sedrain’ireo Renim-pianakaviana maro. Misy manambaka hatrany mantsy izy ireny rehefa mandeha miantsena ka mividy zavatra raha araka ny fitarainany. Narahina fijerena maso maimaim-poana notanterahin’ny fikambanana Lios Club izany. Mampiasa maso raha tsiahivina ny fianarana mamaky teny sy manoratra indrindra fa ho an’ny olon-dehibe hoy izy ireo ka tsy maintsy nitadiavam-bahaolana mialoha izany.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap