airtel

Fampianarana

02-mars-2022

Fampianarana

Vahaolana mitarazoka Nitroatra indray ny mpianatry ny Politeknika

Sample post image

Niroso tamin’ny grevy indray ny mpianatry ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly talata 01 martsa 2021 taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana 24 ora nomeny ny tompon’andraikitra ara-panjakana hamaliana ny fitakiany.

02-mars-2022

 Raikitra omaly ny fanakanan-dàlana nanomboka teo amin’ny Sampanan’i Fenoarivo, fandorana kodiarana, filanjana sora-baventy,… ary niditra an-tsehatra tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso indray ny mpitandro ny filaminana, raha toa ka tora-bato ny avy amin’ny ankilany. Anton’ny fitokonana moa ny fahataran'ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana na «équipement», kanefa milaza tsy nahazo valin-teny mahafam-po mahakasika izany izy ireo. Tojo fahasahiranana tanteraka sy milaza ho noana noho izany ny mpianatra, ka mitaky ny hanafainganina faran'izay aingana ny fikakarakarana ny antotan-taratasy mahakasika an'io vatsim-pianaranay io, satria efa ela ny fisoratana anarana sy ny lisitra ny mpianatra no nivoaka. Mitaky fiakaran'ny vatsim-pianarana manoloana ny vidim-piainana, mitaky ny fananganana « bloc » vaovao, mitaky ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo amin'ny fananganana «centrale autonome» hamokatra herinaratra mahaleotena ho an’ny politeknika,... Milaza ho leo amin’ny fitarazohana lava ny mpianatra, ary maneho fa herintaona toa mbola mihisatra ihany ny « digitalisation ». Tetsy ankilany, nanazava ny tompon’andraikitra, efa nivoaka omaly ny tetiandron’ny fizarana karatra (carte Visa) avy amin’ny Paositra Malagasy ho an’ny eny Vontovorona. Ny dingana manaraka dia ny fiaraha-miasa amin’ny paositra amin’ny « activation » na fampandehanana ny karatra rehefa azo, arahin’ny famoahana ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana. Mitaky mafy ny hivoahan’ny tetiandro kosa ny mpianatra satria milaza ho tsy afa-po.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap