airtel

Fandriampahalemana

05-août-2026

6 sarona tamina

fakana an-keriny zaza 14 taona

Sample post image

Efa novonoina, mbola nisy fitakiana 15 tapitrisa Ar

05-août-2026

Tranga mampivarahontsana no niseho tany Betsingafy, Fokontany Andranomavokely, Kaominina Belobaka, Distrikan’i Tsiroanomandidy. Ny 23 Jolay 2026, nandritra ny asa tany fa hamafy ketsa nataon'ny Ray aman-drenin’i Lepalo, zazalahy 14 taona, raha izy kosa nangady votry hohanin’ny akoho no tsy hita intsony a izy noho ny hariva ka nanomboka ny fikarohana, saingy tsy nahitam-bokany. Ny alin’iny dia nahazo hafatra someso (SMS) ny rain’ilay zaza, nilaza fa voatazona an-keriny ny zanany ary nangatahana vola 15 tapitrisa ariary ho takalon’aina. Voalaza tao amin’ny hafatra fa mila mandoa iray tapitrisa amin’ny Sabotsy, ary ny ambiny amin’ny herinandro manaraka. Ny 02 Aogositra 2026, nahazo vaovao ny Brigade Belobaka fa misy olona mampiahiahy ka nosamborina avy hatrany. Vinanton’ilay raim-pianakaviana very zanaka no voasambotra, ary fantatra fa anisan’ireo naka an-keriny an’i Lepalo. Nofotorina izy ka niaiky fa novonoina ny zaza ny andron’ny nahavery azy ihany, nefa mbola nitaky vola tamin’ny ray aman-dreniny ny olon-dratsy. Natoron’ity vinantolahy ity ny zandary sy ny fokonolona ny toerana nandevenan’izy ireo ny fatin’ilay zaza. Zandary maromaro avy eo no nisambotra ireo olona niray tsikombakomba taminy. Tafakatra enina ny isan’ireo voarohirohy, ka efatra amin’izy ireo dia mpiray tanàna amin’ilay fianakaviana niharam-boina. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian'ny famotorana. Mba hisorohana ny fanehoan-kery sy ny hafanampon’ny vahoaka dia ny GAPJ Bongolava no mandray ny famotorana. Mitovitovy amin'izao ilay raharaha tao Ambositra namonoana an'i Larissa na efa nandoa ny ampahan'ny vola 30 tapitrisa Ar notakian'ireo olon-dratsy aza ny fianankaviany. Olona akaiky na mpifanerasera amin'ny fianankaviana ihany no toa atidoha tamin'ireto tranga ireto, izay feno fahasahiana tsy roa aman-tany. Tena sesilany ireo fanjavonana sy famonoana feno habibiana na ekena aza ny fisian'ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana amin'ny famongorana izany. Nisy ny tranga tany Ambositra, tany Faratsiho izay nisy roa ankoatra ilay fitsaram-bahoaka, ireo tranga maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina. Efa nisy moa ny mpahay lalàna Mpisolovava Olivier Raharinosy izay nanao petra-kevitra sao tokony haverina ny fanamelohana ho faty? Asa inona no mety vahaolana hafa?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap