airtel

Fandriampahalemana

14-mars-2024

8 mianaka notifirina tao Ikalamavony

« Olon-tsotra fa tsy dahalo velively… »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ireo 8 mianaka nisy namono

14-mars-2024

tamin’ny fomba feno habibiana tao Ikalamavony ny alin’ny 25 janoary 2024, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha tsiahivina, nisy andiana miaramila miisa 11 sy sivily 3 lahy no tonga nanakotaba tao Ikalamavony tamin'io daty io. Nihevitra azy ireo ho dahalo ny olona teo an-tanàna ka nitsaoka nandositra ny tovolahy iray 16 taona, izay voatifitr’izy ireo avy hatrany. Notapahiny ny lohany. Nodidiany koa ny kibony. Ireo 7 mianaka kosa navoaka ny tanàna ka tany no nitifirana azy ireo, izay saika teo amin'ny lohany avokoa ny nahavoa azy, ankoatra ny habibiana hafa natao tamin'izy ireo. Efa nisy ny fitoriana ho an'ireo sivily sy miaramila izay nanao izao famonoana ny fianakavian'izy ireo izao saingy tsy mety tonga mamaly ny fiantsoana azy ireo miaramila ka antony anaovan'izy ireo fitarainana. Voamarina fa olon-tsotra ireo olona novonoina ireo fa tsy dahalo ary efa notanana vonjimaika eny amin'ny tobin'ny zandary ao Fianarantsoa ireo sivily 3 lahy. Andrasana kosa ny mikasika ireo miaramila izay mandà ny hiatrika ny fanadihadiana hatao azy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap