airtel

Fandriampahalemana

26-janv-2026

Ady amin’ny dahalo

Hametrahana « détachement

Sample post image

anabakabaka ao Ihosy

26-janv-2026

Mba hanamorana ny asa ataon'ireo miaramila miantsehatra eny an-kianja, no antony hametrahana détachement an'ny Tafika Anabakabaka ao Ihosy ahafahana mametraka angidimby sy fiaramanidina hampiasaina any amin'ny tapany atsimon’ny nosy iny raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’nyherinandro teo.Tonga nijery ny toerana hanorenana izany ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika Malagasy notarihin'ny Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely Minisitry ny Foloalindahy,ny Jeneraly Pikulas Démosthène Lehiben'ny Etamazoron'ireo Tafika ary ny Jeneraly Mamelison Mbina Nonos Komandin'ny Zandarimariam-pirenena.Ankoatra izay dia omena fiofanana fanatevenana fahaiza-manao ny miaramila ao anatin'ny « Bataillon d’ Infanterie » Ihosy hanatsarana hatrany ny vokatra eny an-kianja. Miaramila eo anivon'ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato sy GFSI no mizara traikefa any an-toerana.Tanjona ny famongorana ny asan-dahalo sy fampanjakana ny fandraisana sy ny filaminana. Vao ny herinandro lasa iny moa no nisy ihany koa fanofanana momba ny fifehezana drone niarahan’ny tafika tamin’ireo miaramila Frantsay avy atsy amin’n nosy La Réunion ; mialohan’io dia efa namatsy fitaovam-piadiana ny tafika malagasy ary mbola eto an-toerana manofana ny miaramila ihany koa ny manampahaizana avy amin’ny tafika Rosiana koa inoana fa hisy vokany tena mivaingana amin’izay ary ho hahomby kokoa ny ady amin’dahalo sy fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny nosy.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap