airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2026

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana

Haverina hiasa ireo « caméras de surveillance »

Sample post image

Tapaka nandritra ny filan-kevitry

22-juil-2026

ny minisitra omaly 21 jolay ny famerenana hiasa indray ny OTME (Office des Transmissions Militaires de l’Etat). Hisahana manokana ny fikirakirana ireo « caméras de surveillance » efa misy sy ireo izay mbola hapetraka eran’ny tanàna ity sampan-draharaha ity. Tanjon’izany ny hiantohana sy hanamafisana ny fandriampahalemana manoloana ireo tranga fakàna an-keriny izay mirongatra tato ho ato. Nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra ihany koa ny didim-panjakana manangana ny « Task Force » iadiana amin’ny fakàna olona an-keriny. Zava-dehibe izany amin’ny lafiny iray, fa izao fanapahan-kevitra izao aloha izany dia midika fa tsy nampiasaina sy tsy niasa ireo teo aloha na nandaniana vola aza. Ilaina tokoa amin’ny lafiny iray, ary mety hanampy, eny fa na hiteraka tahotra tsy hanaovan’ireo tsy mataho-tody ratsy eny amin’ny toerana misy azy ireny aza saingy tsy haharakotra ny toerana rehetra, fa ny irariana dia hisy vokany tokoa ny fampiasana itony teknolojia itony.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap