Nanaovana ombay mitady nanomboka tamin’ny Sabotsy 12 Septambra i Tiavona sy Tahiry, izay zanak'olona mpirahavavy, rehefa tsy hitan’ny fianakaviana intsony nanomboka ny marainan’io tamin’ny efatra ora tany, saingy ny fatin’izy ireo no hita, nifanao iray andro. Teny Androndra Ampanantanana no nahitana azy ireo farany, saingy ny Talata 15 Septambra tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva no hita nitsingevana teny Saropody ny razan’ny iray antsoina hoe Tiavina. Omaly maraina kosa no hita teny amin’ny reniranon’Ikopa ihany koa (Sanifer), ny razan’ilay faharoa antsoina hoe Tahiry. Tovovavy roa no voalaza fa fantatry ny fianakaviana fa niaraka tamin’izy roa lahy farany, hoy ny filazam-baovao niparitaka. Mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha sahanin’ny Polisy miandraikitra ny heloka bevava eny Anosy ity. Tranga mampiahiahy sy mampalahelo, mitovitovy amin'ilay famonoana tovovavy roa dia i Stéphanie sy Haingotiana teny Ambohimangarova vao tsy ela. Mbola baraingo tanteraka ny antony, saingy inoana fa tsy maintsy ho tratra ny tao ambadik'izao. Raha ny nambaran’ny fianankavian’izy roa lahy tamin’ny haino aman-jery omaly, dia nampijaliana sy novonoina tany amin’ny toeran-kafa izy ireo, vao nariana tao anaty rano. « Misy ratra, novoina mihitsy ilay zanakay, tena novonoina, misy ratra ny lohany, ny masony ! Tena tsy mety, tsy rariny, tokony hojerena akaiky », hoy ny fianankaviana. Nanamafy ireo fianankaviana fa teo Ampamantanana ry zareo, nisy zazavavy nitondra, ka mpanofa trano eny ihany ny vehivavy iray, ary nentin’ireo zazavavy roa ireo tao amin’ilay trano nofaina. Maninona izy roa lahy tonga tao amin’ilay toerana, tamin’ny 2ora tany ho any dia ohatran’ny nisy korontana tao. Niezaka niteny ny tompon-trano hoe milamina ianareo fa inona no ataonareo ao. Nilamindamina kely, kanefa tonga ny tamin’ny 4 ora dia nisy korontana be indray. Izy 2 lahy efa entin’ny lehilahy 2 amin’ny vozon’akanjony no hoe hita farany », hoy ny fanampim-panazavana. Milaza ireo havany fa efa manadala an’i Tiavina tao amin’ny tambajotran-tserasera ilay vehivavy iray, andao hiaraka aminay, kanefa raha resaka hatsarana tsy mahataitra an’i Tiavina, tsy endrika be manintona,… fa tetika efa nomanina io », hoy ny fianankavian’izy roalahy ireo. Irariana mba tena hivoaka ny marina sy ny rariny momba itony zava-doza hafahafa ao, ary hizaka ny saziny ny nahavanon-doza. Mbola manamafy ny amin'ny tokony hitandremana mandrakariva amin'ny naman-dratsy, amin'ny olona miresaka sy mifanerasera amin'ny tambajotran-tserasera, ny famoahana fiainana manokana,...
Toky R