airtel

Fandriampahalemana

05-août-2026

Afera sy famonoana varira

Sample post image

Tambajotra matanjaka sarona, olona 15 voasambotra

05-août-2026

Ravan'ireimo mpitandro ny filaminana mpiambina ny Filoha ny tambajotra iray mpangalatra sy mpaka taovana zaza varira ao amin'ny distrikan'i Betroka. Niparitaka tao amin’ny distrikan’i Betroka ny horonantsary mampiseho olona manana zaza varira sy masona varira amidy, ka izay lalana nisokatra nakany amin'ny fanadihadiana. Nampitaina avy hatrany tany amin’ny Filohan’ny Fanavaozana izany vaovao izany, ka nandidy ny handefasana polisy, zandary ary miaramila hanao fanadihadiana lalina. Nifantoka tany amin’ny distrikan’i Betroka sy Ihosy, toerana voalaza fa misy heloka bevava mifandray amin’ity raharaha ity ny hetsika. Vokany, olona 15 sy zandary iray no voasambotra. Nentina avy hatrany eto Antananarivo izy ireo hoentina hanohy ny famotorana sy hanolorana eo anatrehan’ny fitsarana. Fantatra fa mbola misy zaza varira roa tsy hita ka mitohy ny fikarohana. Tao Mahabo, nandritra ny fanafihana tokontany iray, no nakana an-keriny varira iray vao izay volana, izay novonoin'ireo olon-dratsy, novakiana ny lohany, nalaina ny masony. Ny olon-dratsy iray izay tratra antsoina hoe Fihavy Osman no nentina nanoro ny toerana nandevenana ilay zaza, nofongarina tanteraka ka voamarina fa tsy tao intsony ny masony. Notantarainy fa novakiana tamin'ny famaky ny lohany nakana nisokirana ny masony. Ny rainy aza moa dia voatifitra ka namoy ny ainy rehefa niezaka niaro ny zanany.
TAMBAJOTRA GOAVANA
Ny fanadihadiana dia nampiseho fa i Fihavy Osman no atidoha nikotrika ny tambajotra, niaraka tamin’ireo namany maro toy i Sambihy, Renaotsy, Miharisoa (Gilà), Mosa, Retiazy, Rebara (Rambô), Tsimitovy ary Retoza. Izy ireo no nifandray tamin’ireo mpanjifa sy mpampita vaovao, ary nisy mihitsy ny fifanarahana ara-bola mitentina hatramin’ny 400 tapitrisa ariary. Fantatra fa nisy mpampianatra iray tao Betroka sy teknisianina tao amin’ny hopitaly no voasaringotra ihany koa. Voatonona ny anaran’i Mahaléontany Jean Pierre antsoina hoe “Maire” ao Ihosy, izay voalaza fa manana zaza varira sy masona varira. Nisy fifandraisana tamin’ny zandary antsoina hoe Dieudonné ao Manombo, izay voalaza fa nandray anjara tamin’ny fampitadiavana sy famindrana ireo zaza varira, izay midika fa efa tena tambajotra goavana ity raharaha aferana varira ity. Ny fomba fitehirizana ireo voamaso dia tena mampivarahontsana: fonosina anaty “sachet” mainty miaraka amin’ny saribao voatoto, alohan’ny hamindrana azy amin’ny toerana hafa. Mbola tratra tany amin'ireo olon-dratsy moa ireo voamaso. Tena ireo ve no atidoha farantampony sa mbola irakiraka? Mbola misitery ny hampiasana ireo maso sy taovana varira na eo aza ny petra-kevitra sy filazana fa ilaina amin'ny sorona toy ny fitrandrahana harena, ody gasy toy ny masobe tsy mahita,... Hivoaka eto ve ny tena marina ?
TETIBOLA MANOKANA
Nisy fanentanana nataon’ireo mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Mananovy, Bekoropy, izay nanome hafatra mazava ho an’ny vahoaka mba hitandrina amin’izao asa fampihorohoroana izao. Efa nanamafy ny Kolonely Randrianirina Michaël, Filohan’ny Fanavaozana, fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny fakana an-keriny sy famonoana varira. Nampahatsiahivina ny fokonolona mba ho mailo amin’ny asa ratsy sy hanome fanohanana ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ity tambajotra ity. Namafisina fa tsy hisy fandeferana, ary efa nanokana tetibola manokana ho an’ny iraka toy izao hamongorana ireo asa ratsy ny Fanjakana. Tsy ampy ve ny mpitandro filaminana eny ifotony sa ny hoenti-manana sy ny fitaovana izany no tsy feno ? Hivoaka ve ny marina momba ireo afera hafahafa nisesy tato ho ato toy ny fanjavonana sy faty olona, aferana varira,... izay efa maro no voasambotra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap