airtel

Fandriampahalemana

08-oct-2026

ALAKAMISY

ANJOZOROBE

Sample post image

Tovovavy 2 voaolana, 3

08-oct-2026

hafa naratra vokatry ny fanafihana
Tovovavy kely miisa 2 izay voalaza ho iraitampo no indray voaolana raha olon-dehibe 3 hafa naratra. Io no vokatr’ilay fanafihan-jiolahy nitranga tao Ampasika, Fokontany Ambohibary, kaominina Alakamisy, distrikan’Anjozorobe ny Alatsinainy 05 Oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tsy nisy afa-nihetsika izy 5 mianaka lasibatra ireo hoy ny vaovao noho ny tahotra sy ny fampihorohoroana ary ny vono nahazo. Tsy nisy nahare ihany koa ny manodidina fa samy mbola variana teo am-pisakafoanana hariva....ka nanampatra ny fahaiza-manaony ireo mpanao ratsy, indrindra fa ireo mpanolana. Taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny zandary anefa dia voasambotra afak’omaly 06 Oktobra ihany ny roa tamin’ireo olona voarohirohy. Mbola karohina kosa ny namany iray izay voalaza fa tafaporitsaka. Ho azy mirahavavy kely voaolana moa dia fantatra fa efa nentina nanatona tobim-pitsaboana izy ireo. Na izany aza mbola tena feno tahotra sy horohoro izy mirahavavy noho ny herisetra ara-nofo nianjady taminy. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny zandary ao Anjozorobe, hamantarana bebe kokoa ny fizotry ny raharaha sy ny andraikitry ny tsirairay. Miaina anaty tebiteby tanteraka mantsy ny mponina.
Pati
Legende : Mandray an-tanana feno ny raharaha ny mpitandro ny filaminana !
 

Dans la même rubrique

08-oct-2026

Hahazo drona fanaraha-maso

Card image cap
07-oct-2026

toy ny "drône" hampandrian-tany

Card image cap