airtel

Fandriampahalemana

15-avril-2024

AMBANIALA ITAOSY *

Vehivavy no mpamatsy rongony ny tanana

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

15-avril-2024

teny Ambaniala Itaosy ny vehivavy iray 28 taona ny 07 Aprily lasa teo rehefa nivarotra rongony. Tafiditra hatrany tao anatin’ ny fanantanterahana ilay hetsika manokana tanterahan ' ny Polisim-pirenena antsoina hoe "Sarika " izy ity. Tsikaritr 'ireo mpitandro ny filaminana miasa eny an - toerana ny fisian ' olona izay voalaza fa mivarotra zava - mahadomelina eny amin 'iny faritra iny. Niroso tamin ' ny fanaraha - maso avy hatrany iretsy voalohany ka sarona nandritra izany ity vehivavy voalaza etsy ambony ity.Mbola nahatrarana rongony 37 fonosana lehibe sy 03 sachets tao aminy nandritra ny fisamborana azy. Fantatra moa fa izy no mpamatsy iny toerana iny. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ity vehivavy 28 taona ity.
Pati
Legende : Niaraka tamin’ny rongony marobe tahaka izao Rakalakely !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap