airtel

Fandriampahalemana

26-janv-2024

Ambatomainty Amparavaravola

Zaza 3 natao « kidnapping » hitakiana 120 tapitrisa Ar

Sample post image

Raha somary nangingina ny raharaha fakana an-keriny na « kidnapping »

26-janv-2024

tany Alaotra Mangoro noho ny hetsika ara-miaramila, izay nisiana fahafatesana sy fahasamborana ireo voalaza fa olon-dratsy tompon’antoka sy atidohan’izany sasany, dia miverina indray izany izao. Tokantrano iray indray mantsy no notafihin’ny jiolahy tao Ambatomainty Ampafarafaravola ny misasak’alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy 25 janoary 2024. Novakian’ireo olon-dratsy ny vavahady, ka tafiditra tao an-trano izy ireo. Nambanany antsy ny mpiambina, ary nofatorany skaotisa be ny vavany, hoy ny fitantarana. Nambanana basy ary nalaina ny firavaky ny renim-pianankaviana, norobaina ny vola 4 tapitrisa sy ny entana. Nofatorana ny iray trano, ary nobataina an-keriny ny zaza miisa 3 izay 15, 9, ary 5 taona. Antsasakadiny taoriana vao nahavaha ny fatorany vao afaka. Voalaza fa nisy fiara mazda sy «4x4» no nampiasain’ireo olon-dratsy. Efa niantso ny fianankaviana ireo olon-dratsy, ary mitaky volabe hatrany amin’ny 120 tapitrisa Ar, hoy ny vaovao. Tsy mety voafehy ny tsy fandriampahalemana, mampikolay ny fakana an-keriny izay hitakiana volabe an-tapitrasany, sesilany ny asan-jiolahy izay matetika misy fandatsahan’aina,… Taratry ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany avokoa izao.
Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap