airtel

Fandriampahalemana

15-mai-2024

Tovolahy maty voatifitra tao Antehiroka

Sangisangin’ny mpisakaiza no nahafaty

Sample post image

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

15-mai-2024

Antehiroka, ny alahady tolakandro teo, raha ny tsiahim-baovao voaray. Tsaho daholo, raha ny fanazavana, ny hoe ilay sinoa no nitifitra azy sy ilay hoe anadahin'ny vadin'io sinoa io ity tovolahy ity. Ny tena marina, araka ny fanadihadian'ny zandary, dia sakaizan'ilay ramatoa ratompokolahy izay nanamboatra trano tao amin'izy ireo ihany. Manana orinasa eo akaiky eo ilay sinoa ary tany am-piasàna izy tamin'io tolakandro io. Nisangisangy teo ambony fandriana ramatoa sy ilay tovolahy. Nalain-dramatoa tany amin'ny fitoerany ny basin'ilay sinoa vadiny ary nolalaoviny nisangisangiany an'ilay sakaizany teo am-pandriana. Nandeha ny vazivazy. "Tifiriko amin'ity ialahy an!". Kanjo tena lasa tokoa. Ilay basy efa nifahana no nolalaoviny. Voa teo amin'ny fony ilay tovolahy. Tsy tana ny ainy. Tazonina atao andrimaso ilay ramatoa sy ny vadiny. Ny tranon'izy ireo nopotehina sy norobain'ny fokonolona nentin'ny honohono. Na ilay basy aza tsy hita izay nanjavonany. Saika nodoran'izy ireo ny orinasan'ilay sinoa. Soa ihany fa voafehin'ny zandary ny toe-draharaha ary efa tamin'ny 2 ora sy sasany maraina vao nangiana ny tanàna, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray omaly. Sangisangin’ny mpisakaiza kosa no nahafaty.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap