airtel

Fandriampahalemana

15-mai-2024

Fenerive Est

Mirongatra ny halatra entan’olona anaty hotely

Sample post image

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

15-mai-2024

Tera-tany malagasy nanao fialan-tsasatra tany an-toerana ny herinandro teo no nisy nandroba tao anaty hotely ny entany. Raha ny vaovao azo dia tsy nahare na inona na inona mihitsy izy ireo fa natoribe nony alina. Rehefa taitra tampoka anefa izy tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no nahatsikaritra fa nisy namoha ny varavarankely tao aminy ary tsy teo amin’ny toerany intsony koa ny valiziny. Nanjavona ihany koa rehefa nojereny ny lela- vola 3 tapitrisa Ar. Nilaza ny zava-nitranga tamin’ny mpiandraikitra ny hotely moa io tera-tany Malagasy io ka nilaza ihany koa ilay tompon’ilay hotely fa tsy nahafantatra na inona na inona. Rehefa nataondry zareo anefa ny fikarohana dia nisy sasantsasany tamin’ireo entan’ilay teratany vahiny no hita tsy lavitra ilay toerana misy ny hotely. Efa mandeha moa ny fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao. Vao omaly Talata 14 May ihany koa dia nisy teratany vahiny efa-mianaka nilaza ho very 300 euro tao amin’ny hotely nipetrahany tao Fenerive niaraka tamin’ny pasipaoron’izy ireo. Andro atoandro indray no nitrangan’ity farany.
Pati
Legende Kanto saingy mampanahy ny tsy fandriampahalemana eto Fenerive Est !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Ramatoabe iray 71 taona no fantatra fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny

Card image cap
13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap