airtel

Fandriampahalemana

03-déc-2025

AMBATOMANOINA ANJOZOROBE

Zazavavy kely 14 taona naolan'ny raikeliny

Sample post image

Raikeliny Mihamahazo vahana indray

03-déc-2025

ny herisetra ara-nofo mianjady amin'ny ankizy mandinika tato ho ato. Tovovavy kely vao 14 taona indray no fantatra fa naolan'ny Raikeliny tany Ambatomanoina, distrikan'Anjozorobe. Tamin'ny 02 volana lasa no nisehoan'ny tantara saingy tsy sahy nitoroka izy noho ny tahotry ilay tsy mataho-tody. Olona tsara sitrapo noho izany no nampandre ny mpitandro filaminana. Roso tamin'ny fanadihadiana ireto farany taorian'izany ka rehefa nanontaniana Ilay tovovavy kely dia nanamafy fa naolan'io Raikeliny io tokoa raha sendra irery tao an-trano izy mianaka.Talohan'izay ihany koa dia efa nosafosafoin'io Raikeliny io foana ny nonony. Nosamborina avy hatrany ilay raikeliny ahiahiana ho nahavita ny heloka ary nentina namonjy tobim-pahasalamana tao Anjozorobe ilay tovovavy kely.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay Raikely nahavanon-doza !
 

Dans la même rubrique