airtel

Fandriampahalemana

23-juil-2026

Famonoana varira,

fanjavonana sy vono olona,…

Sample post image

Sri-lankais iray voasambotra, depiote iray voatonona, 11 any am-ponja

23-juil-2026

Niakatra teo anatrehan’ny fampanoavana teto Antananarivo teto Antananarivo ny volana jona 2026 ny raharaha famonoana zaza varira tany Toliara tany Ankiembe Toliara ny 28 mey. Efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ny voarohirohy, araka ny fanamafisana nataon’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo Rtoa Rakotoniaina Nandrindra Navalona omaly. 21 moa ireo efa any am-ponja, araka ny notaterina teto omaly. Mbola nisy teratany vahiny iray notondroin’ireo voarohirohy ho mpaniraka, ka voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Natolotra ny fampanoavana ny 21 jolay teo, ka naiditra vonjimaika any Tsiafahy. Tompona orinasa mpitrandraka vatosoa any Ilakaka io, ka ny fanadihadiana no namoaka, fa noho ny finoanoampoana hoe rehefa mampiasa ny taovan’ireny olona varira ireny dia miroborobo sy mahomby be ny fitrandrahana vatosoa, araka ny tatitry ny Tonia mpampanoa lalàna Rakotoniaina Narindra Navalona. Efa nampaneno lalokosy moa ny Filohan’ny Albinos Madagascar Atoa Soja Fulgence ny talata teo, mba mba hanaovana fanadihadiana teratany Sri-Lankais iray sy depiote iray voatonontonona. Niantso ny tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila satria tsy i Toliara irery no nana olana ka hirarihana ny hiakarany raharaha eto Antananarivo ireo raharaha tany Mampikony sy Marovoay, ary tsy hoe diso raha voatonona, fa mba ataovy ny fanadihadiana ilay solombavambahoaka sy ilay Sri-Lankais, ary hiady ny hivoahany ny marina isika, hoy izy. Raha hiverenana, ny antontan'isan'ny Fikambanana Albinos Madagascar dia namoaka fa tamin’ny taona 2022, dia 20 ny tranga fakana an-keriny ary 7 ny maty. 14 ny tranga tamin’ny taona 2023 ary 5 ny namoy ny ainy. 24 ny tranga tamin’ny taona 2024, ka 12 ny maty tamin’izany. Nananika ny 80 izany ny fakana an-keriny varira tao anatin'ny 4 taona, ary 30 mahery ny maty, ankoatra ireo mety tsy voaisa. Ny tato anatin’ny 2026 dia efa am-polony latsaka. 800 hatramin'ny 1000 ny varira anatin'ny Fikambanan'izy ireo izany hoe tafakatra 10% eo no lasibatra.
11 ANY AM-PONJA NOHO NY RAHARAHA FANGALARANA OLONA
Mikasika ny raharaha fangalarana zaza sy olona izay nirongatra indray, dia nanao tatitra ny Tonia Mpampanoa lalàna, fa efa maro ireo vosambotra sy natolotra ny fampanoavana. Miisa 10 ny antontan-taratasy voaray nanomboka ny fiandohan’ny jolay mikasika ny fanjavonana sy faty olona, 16 ny olona natolotra ny fampanoavana, ka 11 ny naiditra am-ponja vonjimaika ka ny lehilahy any Tsiafahy, ary ny vehivavy eny Antanimora. Miisa 8 ireo zaza tsy ampy taona tao anatin’ity raharaha ity, raha ny tatitry ny Fitsarana hatrany. Mety mihoatra io satria omaly hariva izao dia, zazavavikely antsoina hoe Larissa no hita faty tao anaty lavapiringa iray tao Fasimena, distrikan’Ambositra, araka ny nambaran’ny Lehiben’ny Fampanoavana ao Ambositra. Ny 30 Aprily lasa teo no nanjavonan’ilay zaza. Nitaky vola mitentina 30 tapitrisa Ariary ireo mpaka an-keriny mba hamotsorana azy. Nanome ampaham-bola ny fianakaviana saingy tsy naverin’ireo olon-dratsy i Larissa. Ny fomba fiasan’ireo mpaka an-keriny ny : misintona zaza eny an-trotron’ny Raiamandreny, misintana zaza tantanina, manambitamby ireo zaza milalao eny an-tokontany amin’ny vatomamy na ny baolina mba hanaraka azy, araka ny fanazavan’io tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany io hatrany. Izay izany amin’ny ankampobeny ny tatitra izay niompana teo amin’ny isan’ny dosie, ny isan’ny olona voarohirohy sy naiditra am-ponja, ny isan’ny zaza tsy ampy taona lasibatra,…

MANJAVOZAVO…
Mbola tsy misy tatitra mazava kosa ny antony na efa ho am-polony aza ireo olona maty tamin’ny fomba hafahafa. Hatreto ihany koa, tsy tena misy fanazavana ofisialy mikasika ny tena zavatra nanjo ireo nanjavona nanaovana fampilazana ka hita soa aman-tsara. Misy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana, saingy mba misy hivim-pahafantarana ho an’ny olom-pirenena kosa angamba ataon’ireo olona mivantana. Nanomboka ny faran'ny volana May, dia olona 172 no nolazaina very teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Polisim-pirenena (8 jolay 2026). 8 tamin'izy ireo dia efa razana sisa no hitay. Mbola nitombo ireo maty satria nisy tranga maromaro taorian’ny 8 jolay. 81 no hita velona raha io tatitra tamin’ny 8 jolay io, ary mbola niampy tato ho ato ka tena tsy ahafahana tena mamoaka ny marina sy ny mety ho atidoha ve ny mety ho fijoroana vavolombelona avy amin’izy ireny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique