airtel

Fandriampahalemana

11-janv-2024

AMBATONDRAZAKA

Efa hamidy eny an-tsena koa ny rongony

Sample post image

Lehilahy iray 39 taona no voasambotry ny polisy avy amin'ny

11-janv-2024

kaomisarian’ Ambatondrazaka afak’omaly Talata 09 janoary tokony tamin'ny 11 ora atoandro rehefa nivarotra rongony tao an-tsenan' Ambatondrazaka Fokontany Madiotsifafana. Fiaraha-miasa tamin'ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) tany an-toerana no nahazoan'ny Polisy io loharanom-baovao io fa misy lehilahy iray mitondra bisikileta miaraka amina gony misy rongony handeha ho ao an-tsenan' Ambatondrazaka. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy nanao ny velam-pandrika rehetra ka tratra ambodiomby nivarotra rongony ilay lehilahy. Tamin'ny fisavana azy dia nahatratrarana rongony milanja 5 kilao izay natao tao anaty gony natao miendrika kitapo mba tsy hahafantarana azy tany amin’io lehilahy io. Hiakatra fitsarana anio Alakamisy ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay mpivaro-drongony tratra tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap