Tao Ankazotsaravolo no nahazoana azy io afak’omaly 05 Septambra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Kilometatra vitsy tsy hidirana ny renivohitr’Ambatondrazaka no nisy fiara mpitatitra nosakanana, raha tsiahivina ka nojerena ireo mpandeha tao anatiny. Nandritra izany no nahitan'ireo polisy fihetsika hafahafa izay nataon’io vehivavy io. Nozahana avy hatrany ny entana izay nentiny ka tratra tamin’izany ny rongony 30 fosona milanja 8 kg. Nentina nihazo ny birao ny Polisy avy hatrany ity farany sy ny mpamilin’ilay fiara nanaovana ny fanadihadiana. Naiditra ambalam-pamonjana kosa ilay fiara.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy tratra nitondra rongony tao anaty fiara !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.