airtel

Fandriampahalemana

29-janv-2024

AMBOHIDEHILAHY AMBOHIMANGAKELY

Jiolahy 2 sy entana halatra maro tratra tao anaty trano rava

Sample post image

Nitrangana vaky trano tao Ambohidehilahy Kaominina Ambohimangakely ny herinandro teo.

29-janv-2024

Nidina ifotony ny zandary ka nahatsikaritra trano rava sy foana sady haolo teo amin'ny manodidina.Nosavain'ny zandary ity trano ity ka sarona teo am-pifohana rongony ny tovolahy anankiroa. Sarona tao anatin'io trano rava io koa ny sombintsombiny amin'ny karazana entana azo tamin'ny halatra, miampy vovoka rongony 300 grama. Groupe motopompe roa no very tao anatin'ilay trano vaky raha tsiahivina izay fantatra fa hita teo akaikin'io trano rava io ny diany, ary ireo tapatapaka tuyau koa mbola tao anaty trano. Nanondro namana telo hafa izy roalahy vokatr’izany.Ireo mponina teny amin’ny manodidina moa dia nanamafy fa tena jiolahy mpamaky trano izy ireo ary nisy nahita ihany koa ny nitondran'izy ireo ilay groupe very sy boatin-doko iray. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny 4 tamin’izy ireo raha nahazo fahafahana kosa ny iray.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap