airtel

Fandriampahalemana

12-janv-2024

AMBOHIMANGAKELY

Maty voatifitry ny zandary teo am-pamakiana trano i RATSOA

Sample post image

Maty voatifitry ny zandary androany maraina teny Amboromanina fokontany

12-janv-2024

Andranovao Ambohimangakely ny jiolahy raindahiny nantsoina hoe RATSOA. Olona tsara sitrapo no nampandre ny zandary avy Ambohimangakely raha nahatsikaritra zavatra hafahafa satria tazana ho nisy jiolahy niditra an-tranon’olona.Tsy tao an-toerana moa ny tompon-trano. Minisitra vitsy dia tonga ny zandary , voahodidina ny toerana. Nikasa hivoaka tampoka an-keriny avy ao ilay jiolahy ary nandrangaranga antsy be. Ny tifitry ny zandary no tonga aloha. Be loatra ny ra very ka namoy ny iny i Ratsoa. Efa in’efatra vaky ity trano saika nidirany ity tamin’ny taon-dasa . Fa androany izany dia i Ratsoa no tratra farany tao. Voalazan’ny zandary fa Jiolahy mirenireny tsy manana adiresy mazava ity voatifitra teny Ambohimangakely ity, efa in-telo niditra am-ponja. Fantatra fa Jiolahy mpanakan-dalana sady manendaka teny Ikianja, Ambohimahitsy, Mahazo, 67Ha, Ankadindramamy, Ambatomaro,..ary efa ela no nokarohin'ny zandarin’Ambohimangakely sy Soamanandrariny.
RTT

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap