airtel

Fandriampahalemana

11-janv-2024

Ambohimanjaka Ambohidronono

Votsotra ilay sefom-pokontany nalaina an-keriny

Sample post image

Notafihin'ny jiolahy tao Asafotra, Fokontany Ambohimanjaka Kaominina Ambohidronono

11-janv-2024

ny Talata 9 janoary 2024 alina, raha ny vaovao azo omaly. Nalain’ireo jiolahy manodidina ny 7 an-keriny natao takalon’aina nandritra izany ny lefitry ny Sefo Fokontany ao Ambohijanaka io. Ambohidronono dia Kaominina any amin’ny fizaran-tany mampisaraka ny Distrikan’i Moramanga amin’ny Distrika Anjozorobe, mifanila amin'i Mangamila. Raha ny vaovao farany moa, dia navotsony ilay olona nalaina an-keriny noho ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana, ka Ambatomarosofina tanàna tsy dia lavitra teo no votsotra, ary nisy ihany koa ny basin’ireo olon-dratsy azon’ny mpanenjika, raha ny vaovao vonjimaika. Misy ifandraisany amin’ireo mpaka an-keriny sy dahalo amin’ny faritra Anjozorobe sy Ankazobe izay vao avy namono ben’ny tanàna tany Andranomiely ihany ve ireto nanao fanafihana tany Ambohidronono ireto fa nikisaka noho ny fisian’ny fampandrian-tany ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap