airtel

Fandriampahalemana

08-janv-2024

Ambongabe Tsararano

Mpandraharaha iray hita faty teny an-dalana

Sample post image

Lehilahy mpandraharaha iray monina ao Berivotra 5/5 Tsararano

08-janv-2024

no nisy nahita efa tsy nisy aina intsony sady mihosin-drà teo Ambongabe Tsararano ny sabotsy 6 janoary tamin'ny 8 ora maraina teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana (TTF: PF Tsararano). Potika tanteraka ny tarehin'io lehilahy io ary misy silaka eo amin'ny lohany havia ary nitarika ny ra very be taminy. Tsy nisy naka nefa ny moto nentiny fa mbola hita niaraka tamin'ny vatana mangatsika an'ity lehilahy ity. Araka ny fanadihadihana, niala maraina tao an-tranony toy ny mahazatra hande hanara-maso ny famboleny any Ambalalehibe Tsararano ny tenany no izao maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana izao. Nanao savahao ny manodidina ny zandary sy ny fokonolona taorian'ny tranga. Mitohy ny fanadihadihana. Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo tamin’iny fotoana iny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap