airtel

Fandriampahalemana

14-mai-2024

Mpanolana vao nivoaka ny fonja

Namerin-keloka sahady

Sample post image

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

14-mai-2024

taona, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Voatondro ho nanolana zazavavy 17 taona indray izy ankehitriny. Mpianatra ao amina lisea iray any Bealanana no nanaovany ny filan-dratsiny ny 21 aprily 2024, tokony ho tamin'ny 4 ora hariva teo, tany Bealanana I. Nandritry ny fanadihadiana nataon'ny polisy dia niaiky tokoa izy fa nanolana io zazavavy 17 taona io. Ho atolotra ny fitsarana any Antsohihy indray izy aorian'ny famotorana atao aminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly. Ity tranga ity izany no tonga amin’ilay fomba fiteny hoe ny mpanolana dia mpanolana hatrany raha toa ka tena namerin-keloka tokoa. Mpanolana vao nivoaka ny fonja dia namerin-keloka sahady.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap