airtel

Fandriampahalemana

27-mai-2025

Talatan’i Volonondry

Tovolahy 17 saika hangalatra fiara roa

Sample post image

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

27-mai-2025

ny ankizy sy ny tanora eto amintsika vokatry ny tsy fahampian’ny fanabeazana sy ny fahantrana lalina.Bandikely vao 17 taona monja no niketrika hangalatra fiara miisa 2 tsy tafavoakany afak’omaly Alahady 25 May tokony ho tamin’ny 02 ora maraina tany Talatavolonondry. Efa novakiany sy voasokany ny fiara voalohany Renault Express ka nataony contre-attaque satria fidinana no toerana nisy azy saingy tsy nety velona noho ny tsy fisian'ny batterie. Nifindra fiara hafa indray ilaikely ka nataony toy ny nanaovany ilay fiara voalohany ihany saingy tsy nety velona koa satria tsy nisy batterie). Daihatsu ilay fiara. Tapa-kevitra ny nangalatra batterie izay an'ny fiara Mercedes-Benz ilaikely saingy henon'ny mpiambina ny fiara ka vaky nandositra avy hatrany tany amin'ny toerana nisy ireo fiara miisa roa nokasainy hangalarina. Teny ity farany no tratran’ny zandary avy ao amin'ny borogadin’i Talatavolonondry ka noraisim-potsiny.
Pati
Legende : Ity ilay bandikely sy ireo fiara miisa 2 saika hangalariny !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Card image cap
30-avril-2026

Nihena 4 indray ireo mpangarom-paosy

Card image cap
29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap