airtel

Fandriampahalemana

29-avril-2026

Fanafihana eny amin’ny RN1

Matin’ny zandary i Njato

Sample post image

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

29-avril-2026

Amparihivato Ambalanarina, distrikan’i Tsiroanomandidy, i Njato, omaly maraina tamin’ny 2 sy 15 minitra, raha nikasa hanakan-dalana amin’ny lalana mampitohy an’i Ambalanarina sy Ankadinondry Sakay, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Dahalo efa nikoizana amin’ny fanakanan-dalana sy ny vaky trano ary halatra bisikileta izy. Noho ny antso avy amin’ny olona tsara sitrapo tamin’ny Zandarimaria no nahitàna an’i Njato sy ny namany efa miomana handroba mpitatitra mpivarotra handeha haka entana eto Antananarivo, no izao lavon’ny zandary izao. Basy vita tanana iray no azo niaraka taminy raha toa ka tafaporitsaka kosa ny namany miisa 2 hafa. Hihamafy ny hazalambo sy ny fisafoana ataon’ny zandarimaria amin’ireny lalam-pirenena sy lalana rehetra ampiasain’ny vahoaka ireny mba hifamezivezy ao anaty fitoniana izy ireo, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray avy amin’ny Zandarimaria.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap